<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>M. Weisse</author>
<lyrics>[V1]
 Izao Noely mamy izao
 No ihobiantsika,
 Fa noresen'ny aim-baovao
 Ny fahafatesantsika :
 Ny Zanak'Andriamanitra,
 Izay Tompom-boninahitra,
 Nandao ny lapan-dRainy,
 Nateraka ho olona
 Hamonjy sy hamelona
 Antsika sombin'ainy.

[V2]
 Velomy ny fisaorana,
 Na kely monja aza,
 Ka aoka izay navotana
 Hiara-hankalaza
 Ny Zanak'Andriamanitra,
 Niala tao an-danitra
 Hanafaka alahelo ;
 Ry voavonjy ô ! derao Jesosy
 Ilay Mpanjakanao ;
 He, gaina izao ny helo !

[V3]
 Izao Andriamanitra
 Dia faly amintsika :
 Jesosy, Tompon-danitra,
 No tonga namantsika ;
 Ho re hatrany lavitra
 Fa foin'Andriamanitra
 Ilay sitraky ny fony
 Hitondra fahoriana,
 Hiari-pijaliana
 Ho solon'ny mpikomy.

[V4]
 Na dia tratry ny manjo,
 Izay mampiferin'aina,
 Izaho tsy hamoy fo,
 Fa manna-kantenaina ;
 Jesosy dia Zokiko,
 Ka tsy hohadinoiko,
 Fa Izy tia ahy ;
 Ny tenim-piadanany
 No hery anohanany
 Ny foko, izay manahy.

[V5]
 Haleloia, fa tapitra
 Ny fahoriantsika !
 Derao Andriamanitra,
 Izay efa tia antsika !
 O, ry fanahiko, derao
 Jesosy, Izay Mpamonjinao,
 Harena tsy ho lany,
 Haleloia, Haleloia !
 Fa azo ny Mpanavotra,
 Anao ny fanjakany !</lyrics>
<title>Izao Noely mamy izao FFPM57</title>
<hymn_number>57</hymn_number>
</song>